Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-21
17 Fa tonga tamin'i Elia Tesbita kosa ny tenin'ny Tompo nanao hoe:18 Mitsangàna hianao, ka midìna hihaona amin'i Akaba mpanjakan'Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanim-boalobok'i Nabota ao izy izao, fa midìna nankany haka izany ho azy. 19 Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Moa tsy namono va hianao sy naka lovan'olona koa? Dia hiteny aminy hianao hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Eo amin'ny toerana nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota ihany no hilelafan'ny alika ny ran'ny tenanao koa. 20 Ary hoy Akaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ka hoy ny navaliny: Azoko hianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo hianao. 21 Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafafa hianao, haringako ny lehilahy rehetra an'i Akaba na ny andevo, na ny olona afaka, amin'Israely, 22 ka dia hampanahafiko ny tranon'i Jeroboama zanak'i Nabata sy ny tranon'i Ahiasa, ny tranonao, satria nihaika ahy hitezitra hianao, sady nampanota an'Israely. 23 Jezabela koa, nasian'ny Tompo teny hoe: Hohanin'ny alika eny akaikin'ny hadin'i Jezrahela Jezabela. 24 Izay an'ny tranon'i Akaba ka maty an-tanàna dia hohanin'ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin'ny voromanidina. 25 Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an'i Akaba hanao izay ratsy eo imason'ny Tompo, satria Jezabela vadiny no namporisika azy.
26 Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin'ny nandehanany amin'ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon'ny Amoreana, izay noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 27 Kanjo nony nandre ny tenin'i Elia Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasaka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasaka, ary nitsilasilasy fandeha izy.
28 Ka dia tonga tamin'i Elia Tesbita ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 29 Efa hitanao va ny nanetren'i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin'ny androny kosa aho fa amin'ny andron-janany vao hahatonga loza amin'ny tranony aho.
